|
|
|
|

Entrée1  Ny Abidin' ny toaka
Mots élémentaires  2  abi, 3  toaka
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6  Rajaonary
Texte complet  7  Adala ny olona izay tia toaka
8  Adabok' ireny ny vola ka lany
9  Ataony ambody barika avy hatrany
10  Areti-mandoza no vokatr' izany

11  Bedain' ny sasany ilay tia toaka
12  Babon' ny Satana ny fony rehetra
13  Barika mandeha toa manjoretra
14  Baikoan' ny vola tsy misy fetra

15  Doran' ny sain' ilay tia toaka
16  Daka diamanga ireo mampijaly azy
17  Difotra ny ainy tsy vazivazy
18  Daroka sisa no mananatra azy

19  Efitrin' ny helo no fiainan' lay tia toaka
20  Eso, latsa no ravakin' ny androny
21  Efa lefy matroka izato masoandrony
22  Esorin' ny Satana ny kely manome ny heriny

23  Fasana no miandry an' ilay tia toaka
24  Fongana avokoa izay hany fananany
25  Fandrika miandry ny lalan-kalehany
26  Fonja manjohy ka mitady ny tenany

27  Godraka ny tenan' ilay tia toaka
28  Gaga ny olona mijery ny toetrany
29  Gidragidra lava no androm-piainany
30  Gaigy sy romotra no fomba fijeriny

31  Hetahatan' adala ny an' ilay tia toaka
32  Hevitra taingina no avoakan' ny vavany
33  Henatra baraka no mameno ny tenany
34  Hosoka halatra no fihetsiketsehany

35  Iza no mba havan' ilay tia toaka
36  Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany
37  Ilaozan' ny maro fa kely ny sainy
38  Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany

39  Janga no lalan' ilay tia toaka
40  Jereny ny marina toa fahavalony
41  Jesoa halany ka tsy ankasitrahany
42  Jonon' ny Satana izy fa tena rembiny

43  Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka
44  Kamboty velona ireto taranany
45  Kitratraina ny vady aman-janany
46  Kamo be tenda no tena talentany

47  Lova ratsy no anjaran' ilay tia toaka
48  Lany ny harena noho ity fahadalany
49  Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
50  Lalan' ny helo no indro izorany

51  Mangozohozo ny tenan' ilay tia toaka
52  Mikainkona ny voa vokatr' izany
53  Matimaty foana ny vady aman-janany
54  Mijaly maloka no fiafaran' ny fiainany

55  Nahoana no manjombona ilay tia toaka
56  Nanafina ny tava noho izato ditrany
57  Natahotra sao hijinja ny vokany
58  Ny antson' i Jesoa tsy nasiany dikany

59  Ozona no miandry an' ilay tia toaka
60  Olona meloka ireto taranany
61  Ory misento ny androm-piainany
62  Omby mahia tsy lelafin' ny namany

63  Potika ny androm-piainan' ilay tia toaka
64  Potraka faona ka hopitaly no tranony
65  Pentina sisa no mamantatra ny tenany
66  Peratra saro-tavohangy no hany ravany

67  Rovitra akanjo no anjaran' ilay tia toaka
68  Ratsy fitafy izato vady aman-janany
69  Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
70  Ratra, rangotra no valim-pananarany

71  Sempotra lava ilay tia toaka
72  Sady bila fandeha no mena ny masony
73  Safotra miakatra ambony ny tosidrany
74  Sahirana lava ka makanimakany

75  Taranaka mijaly ny an' ilay tia toaka
76  Tenany very ary koa izato hajany
77  Tapitra sy velona ny fahasambarany
78  Tranomaizina no toa mba anjarany

79  Voa mikainkona sisa ny an' ilay tia toaka
80  Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany
81  Very haja ny tenany fa lany izato harenany
82  Vitsika mandady avy toa tsy matiny

83  Zara raha velona ity tia toaka
84  Zovy no manana fo mifora sabora
85  Zovy no mpangataka voa korakora
86  Zatovo naditra iny fony Tanora

Mis à jour le 2025/09/13